Tsy misy intsony ny ara-dalàna eto Madagascar!

Nampidirin'i king58 | 18 Mar, 2009
Ho anareo Malagasy Fozaoran'Analakely,Miaramila vatany ny Capsat,Ny TGV-iste ny 13 Mai.Tsy misy intsony ny ara-dalàna ny fandraisanareo azy,ny anay manokana dia misy izany,ary manaraka an'izany foana izahay.Rehefa tsy ao anatin'ny Lalam-panorenana na ara-drariny,dia tsy izy aminay.Ny lalam-panorenana milaza fa en cas de force majeur-ny Vacance-ny Président,dia ny Président-ny Sénat no misolo azy,ny olona hitondra izany koa dia tsy maintsy 40 taona raha kely indrindra,tsy maintsy ao anatin'ny Antoko ara-dalàna,fa tsy ity notsoponina tetsy Analakely ity.Ny HCC koa aza moa tsy mahay izay lalam-panorenany, fa anarana fotsiny ireny.Tsy misy izany 24 mois izany koa ny @ rafitra tetezamita,fa ao anatin'ny roa volana no ahitàna haingana izay ho Filoha,ny Coup d'état koa tsy ekenay,aiza ny nanaovanareo an'i Vice-Amiral Mamy tao @ Ministeran'ny Fiarovana ireny,ny nanaovanareo an'i Pasteur Lala Rasendrahasina tao Antanimena ireny?Voaray ireny ary hivaly amin'ialahy ireny Ra-Andry,ary koa hivaly @ Vady aman-janak'ialahy,sy ny ana-bavin'ialahy.Masina i Madagascar,fa tsy handalo fotsiny ireny.

Ao Ambohitsorohitra i Andry mitaty ny halatry ny CAPSAT

Nampidirin'i king58 | 17 Mar, 2009
 Araka ny vaovao ny RFI,sy ny France 24 dia ao Ambotsorohitra i Andry,mitaty izay missions nataon'ireto CAPSAT nanafika izay naka vola tao @ BMOI sy ny BFV Antaninarenina,Nisy koa hoy ireto Mpanao Gazety ny Fourgons,izay ni-attaquer n'ireto CAPSAT,izay nitondra ny Volan'ny Banque Centrale De Madagascar à Antaninarenina,ka netina ao Ambohitsorohitra ihany.Dia aiza ny fahamarinana ary hatraiza ny eritreritr'isika Vahoaka @ izao Fakàna ankeriny sy fandrobàna rehetra izao?

Ndry ireto CAPSAT mangalatra!

Nampidirin'i king58 | 17 Mar, 2009
Tena mahonena ireto toe-tsain'ny Miaramilan'ny Capsat kely ireto e!tsy mahalala ny maha-Miaramil'azy,fa lo morina mora ambakain'ireo Mpitady seza,sy tia ranondranony.Raha izaho no Miaramila dia ny Firenena sy ny ara-dalàna no jereko,fa tsy ny tombotsoan'ny Ry Andry isany tsirairay avy.Dia mahamenatra tanteraka ny hoe "manafika ny biraon'ny Filoham-pirenena,dia avy eo indray,manafika ny Fourgon n'ny Banque Central.Marina fa tsy ho azy ireo,fa ho an-dry TGV isany,fa mba tokony hieritreritra ihany e!Aiza ny hiafaran'ireo Vahoaka marina n'ny Madagascar e?

Antso ho an'ny Malagasy tsirairay avy.

Nampidirin'i king58 | 16 Mar, 2009

Miarahaba antsika mianakavy,

 Mangataka antsika Malagasy rehetra tsy vaky volo,tia ny filaminana,ny ara-drariny,ny ara-dalàna mba tsy hanaiky ireo Mpandrobam-pahefana na ny fanonganam-panjakana amin'ny tsy rariny,ny fanimbàna ny fananan'ny Firenena,fanerena ny tsirairay hikomy amin'ny tsy sitrapony avy,fakàna ankeriny ireo Mpianatra tsy mana-tsiny,ny famelezany tsao etsy sy eroa entina hampiadiana ny samy Malagasy,mba tsy ho voatarik'ireo Mpanakorotana ary mba hanaja ny maha-Malagasy antsika. 

 Izany antso izany,dia mba tsy ahatonga an-tsika tsy hivarina any anaty lavaka,ary hanaja hatrany ny lalam-panorenana sy nyfiloha Marc Ravalomanana,izay hantenaina fa hiasa ho antsika Malagasy tanteraka,ary hanorina indray ny toe-karen'ny tsirairay mandritra ny 3 taona sisa.

  Misaotra an-tsika mianakavy izay tsy tia korotana,ary tia tanindrazana.Tsy ekena ny Insécurité izay ataon'ny Mpanohitra izao.